Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook

20°17′19″S 44°19′04″E / 20.288690°S 44.317820°E / -20.288690; 44.317820

Morondava
Velarantany NC
Isam-ponina 130 383 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Madagasikara
Faritany Toliary
Faritra Menabe
Morondava

I Morondava dia kaominina malagasy ao amin' ny Distrikan' i Morondava, Faritra Menabe, Faritanin' i Toliary. Ny isan' mponiny dia 130 383 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2000. Ny kaodin-kaominina dia 50899 ary ny kaodin-distrika dia 508.

Renirano

hanova

Vokatry ny fambolena

hanova

Ny tantsaha mampiasa zezika simika dia latsaky ny 75 %. Ny entana faharoa lafo vidy indrindra dia ny mangahazo. Ny zava-bolena lehibe indrindra amin' ny lafin' ny velaran-tany dia ny vary. Ny entana fahatelo lafo vidy indrindra dia ny katsaka. Ny isan' ny omby dia 1 500. Ny isan' ny taona nisian' ny pesitry ny vorona teo anelanelan' ny taona 1999-2001 dia 3. Ny zava-bolena faharoa lehibe indrindra amin' ny lafin' ny velaran-tany dia ny mangahazo. Ny entana lafo vidy indrindra dia ny vary. 100 isan-jaton' ny tanimbary no voatondraka amin' ny tohodrano na paompy. 10 isan-jaton' ny mponina no manao asa tanana. 50 isan-jaton' ny mponina no miasa tany. 25 isan-jaton' ny mponina no miasa amin' ny fanjonoana. 5 isan-jaton' ny mponina no miasa amin' ny fiompiana. 10 isan-jaton' ny mponina no miasa amin' ny sampandraharaha. 400 ny isan' ny kisoa.

Fotodrafitrasa

hanova

Misy masoivohon' ny banky. Misy seranam-piaramanidina ny akaikin' ilay tanàna. Tongan' ny lalam-paritra ilay tanàna. Ahitana hôpitaly na toeram-pitsaboana ao. Ahitana tobim-pahasalamana ao. Misy tsena isan' andro any. Ijanon' ny taksiborosy ilay kaominina. Misy fianarana ambaratonga faharoa (lise). Ahitana orinasa mampiasa olona mihoatra ny 50. Andalovan' ny lalam-pirenena ilay kaominina. Ahitana sekoly ambaratonga fototra. Ahitana orinasa mampiasa olona 10 hatramin' ny 50. Misy tranom-pitsarana maharitra any. Ahitana seranana an-drenirano amin' ilay tanàna. Ahitana kôlejy ao amin' ilay tanàna. Ny JIRAMA no manome ny rano. Misy biraom-paositra ao.

Fitaterana

hanova

Ny fitaovam-pitaterana ampiasaina matetika indrindra dia fiara maivana base. Ahitana lalana godorô ao amin' ny kaominina. Ny lalan-tany dia azo aleha mandavan-taona.

Fari-piainana

hanova

5 isan-jaton' ny mponina no tena mahantra dia mahantra. 65 isan-jaton' ny mponina no atao hoe mahantra. Ny halavan' ny vanim-potoana mety hahalanian' ny vokatry ny taon-dasa dia 3 volana. 5 isan-jaton' ny mponina no atao hoe manan-karena. 25 isan-jaton' ny mponina no manana fari-piainana antonontonony.

Fitantanana

hanova

Misy masoivohon' ny ministeran' ny fiompiana. Misy sampandraharaha misahana ny fananan-tany ao. Misy masoivohon' ny ministeran' ny fahasalamana. Misy masoivohon' ny ministeran' ny rano sy ny ala. Misy masoivohon' ny ministeran' ny asa tany. Misy masoivohon' ny ministeran' ny fiarovana. Misy masoivohon' ny ministeran' ny fanabeazana. Misy masoivohon' ny ministeran' ny mponina. Misy masoivohon' ny ministeran' ny angovo ao amin' ilay tanàna. Misy masoivohon' ny fanaraha-maso ny asa. Misy masoivohon' ny ministeran' ny asa vaventy.

Fivavahana

hanova

Kristianisma

hanova

Eglizy Katôlika

hanova

Diosezy i Morondava. Ny misiônera spiritana sy zezoita no nitondra voalohany ny Vaovao Mahafaly tany amin' ny Faritra Menabe, fa tamin' ny taona 1928 no nandraisan' ny misiôneran' ny Lasalety ny Misiona tao, ka ny Amerikanina no nanomboka izany. Tamin' ny 14 Septambra 1955 no natsangana ho diôsezy i Morondava ary ireto avy ny eveka nifandimby tao: Mgr Paul Girouard m.s (1955-1964), Mgr Bernard Ratsimamotoana m.s (1964-1998), Mgr Donald Pelletier m.s (2000-2010) ary Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien o.c.d (2010-…)

Raha momba ny ara-pastôraly indray no jerena dia nomena ny anjara toerany manokana ny fanabeazana ao amin' ny Diôsezin' i Morondava. Maro ny trano sekoly naorina, indrindra ny any ambanivohitra. Nosokafana tamin' ny taona 2012 ny Institut Supérieur Catholique du Menabe (ISCaMen) izay ahitana sampam-pianarana efatra: Paramedicaux, Pedagogie, Inforamatique ary Gestion, ka vao avy namoaka ny andiany faharoa ity sekoly ambony ato amin' ny Diôsezy ity. Ny sampana Pedagojia dia natao hamokatra mpampianatra ho an' ny sekoly katôlika ato amin' ny Diôsezy na koa amin' ny fanjakana na ho an' ny tsy miankina hafa. Misy ihany koa ny fampiofanana isan-taona omena ny tanora efa manana ny bacccalaureat mba ho mpampianatra ka anantin' ny iray volana no anaovana izany. Manafatra fikambanan-drelijiozy maro hiasa any Menabe ny Diôsezy mba hiandraikitra mivantana izany asa fanabezana izany, indrindra any ambanivohitra, ary koa hiantsoroka ny asa pastôraly isan-karazany.

Raha ny momba ny ara-pastôraly manokana indray no jerena dia niatrika Sinaody manokana ho azy ny Diôsezy nandritra ny telo taona (2012-2015), "Kristy avao ro hazomanga soa" no teny fanevana tamin' izay. Izany dia natao mba hijerena amin' ny antsipiriany ny fampandrosoana ny asa pastôraly: ny lesoka, ny tsara tokony ho tohizana ary ny zava-baovao tokony hampiharina araka ny soridalan' ny Fiangonana Katôlika. Nisy lohahevitra telo ambin' ny folo lehibe no navoitra nandritra izany, ireto avy izy ireo: ny Fiangonana eto an-toerana, ny litorjia, ny fifampiresahana amin' ny hafa finoana, ny firaisam-pinoana, ny fandevanana sy ny fivavahana amin' ny razana, ny fanabeazana, ny ministera sy ny fiainan' ny pretra ary ny misiônera, ny katesizy, ny relijiozy sy fiantsoan' Andriamanitra, ny fianakaviana sy ny sakramentan' ny fanambadiana, ny fampivoarana ny maha olona, ny tanora, ary ny katekista. Anisan' ny tanjon' ny sinoady ihany koa ny hirosoana bebe kokoa amin’ ny maha iraka ny Fiangonana.

Anatin' ny fampiharana ny ireo tsoa-kevitra tapaka nandritra ny sinaoda ny Diôsezy ankehitriny, ka ny lohahevitra "Fiangonana eto an-toerana sy ny litorjia" no jerena manokana amin' izao. Ny fanokafana fiangonana vaovao no tena imasoana amin' izany ka ny kristianina lahika no miandraikitra izany mivantana sy ny famelomana azy na dia eo aza ny pretra ary efa maro ny zana-piangonana vaovao nosokafana. Mifandraika amin' izany ihany koa ny famangiana tokantrano kristianina ataon' ny pretra sy katekista ka amin' izany no tena ahitana ny zava-misy iainan' ny Kristianina sy amborahany amin' ireto mpamangy azy ireo zava-manahirana azy. Manaraka izany, noezahina ny fanomezana lanja manokana ny vavaka eo amin' ny ankohonam-piainana kristianina na ny tranainy na ny vaovao: fitsaohana ny sakramenta masina, sapile, kônfesy, sns. Ary anisan' ny vokatry ny sinaoda ihany koa ny fisian' ny filan-kevitry ny Diôsezy ka ny volana Septambra lasa teo (taona inona?) no nanombohana izany voalohany. Ireto avy ny mpandray anjara amin' izany: pretra, relijiozy, katekista, komitim-piangonana, mpampianatra, seminarista, fikambanana masina rehetra, ary ny Eveka ray aman-dreny ka ny zavatra atao amin' izany dia tatitra ny zava-misy any amin' ny paroasy sy distrika ka anolorana soso-kevitra sy fanamarihana ary ny ezaka mbola hatao. Amin' io ihany koa no anoloran' ny Eveka soridalana harahina mandritra ny taona pastôraly vaovao. Manaraka izany, mba hisian' ny fandrosoan' ny asa pastôraly any amin' ny paroasy sy distrika dia nozaraina ho vikaria episkôpaly dimy ny Diôsezy ka samy manana ny vikera episkôpaliny tsirairay avy. Ireto avy ireo vikarià ireo: avaratra, avaratra-atsinana, atsinana, afovoany-atsimo, ary Morondava an-tampon-tanana.

Ireto misy tarehimarika vitsivitsy mahakasika ny Diôsezy tamin' ny taona 2015: a. pretra: 63; diôsezianina: 13; relijiozy: 50. b. relijiozy: 164 ka 08 lahy sy 156 vavy. c. batemy: 3 491 d. komonio voalohany: 924 e. fankaherezana: 859 f. mariazy: 347

Ahitana miaramila ao amin' ilay kaominina. Tapaka in-3 ny lalana tao anatin' ny taona 1999-2001. Ahitana pôlisy ao amin' ilay kaominina. Ahitana zandary ao amin' ilay kaominina.

Jereo koa

hanova

Renivohi-paritany eto Madagasikara

Renivohi-paritra eto Madagasikara

Rohy ivelany

hanova
  • ilo.cornell.edu - Statistika momba ny kaominina malagasy ary loharanom-pahaizana namoronana an'ity lahatsoratra ity.