Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook

Sumatra

(tonga teto avy amin'ny Somatra)

I Sumatra dia nosy ao amin' ny ampahany andrefana amin' i Indônezia, anisan' ny Vondronosy Sonda, ao Azia Atsimo-Atsinanana, sady mipetaka amin' ny fehiben-tany, ao atsimon' ny Saikanosy Maley. Mirefy 473 481 km2, ny velarany, ka nosy fahafito lehibe indrindra eto amin' izao tntolo izao izy noho izany, mihoatra kely ny nosy Papoazia-Ginea-Vaovao sy an' i Soeda. Manana halava mirefy 1 800 km sy sakany mahatratra 435 km amin' ny faritra sasany izy. Ny Andilan-dranomasina Sonda no manasaraka azy amin' ny nosy Java ary ny andilan-dranomasina Malacca no manasaraka azy amin' ny Saikanosy Maley.

Sarintany maneho ny toerana misy an' i Sumatra

Tamin' ny taona 2019 dia nisy mponina miisa 58,5 tapitrisa i Sumatra. Mozilmàna ny ankamaroan' ny mponina ao, nefa ahitana Kristiana sy Bodista ary Hindoista koa ao.

Jereo koa

hanova