Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Transfiguration pending
Aller au contenu

Natàna (mpaminany)

Avy amin'i Wikipedia
I Natàna sy i Davida, sary nataon'i Matthias Scheits, taona 1672.

I Natàna dia iray amin' ny mpaminany tao amin' ny lapan' i Davida. Nanakiana an' i Davida izy tamin' ny nakan' i Davida vady an' i Batseba (na Betsabe) vadin' ilay miaramilany hitita na heteana atao hoe Oria, sy ny nanaovany izay hahafaty an' ity tompom-bady ity. Niteraka korontana anatiny izany fahotan' i Davida izany. Ao amin' ny Boky faharoan' i Samoela (indrindra ny 2Sam. 7:2-17 sy 12:1-25) sy ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka ary ao amin' ny Bokin' ny Tantara no ahitana ny asa nataon' i Natàna.

Fintantarana ao amin' ny Baiboly

[hanova | hanova ny fango]

Rehefa nandefa an' i Oria, lehilahy hitita, ho any am-bava ady i Davida mba hahafahany hila ny vadiny atao hoe Batseba (na Betsabe) dia tonga hampahatsiahy an' i Davida ny adidiny i Natàna ka nilaza taminy koa ny sazy vokatry ny zava-dratsy nataony: tsy ny zanaka lahin' i Davida voalohany no handova ny seza fiandrianana fa ny ny zanak' i Davida amin' i Batseba, rehefa vita ny ady hanapotika ny fianakavian' ny mpanjaka. Nanohy nanolo-tsaina an' i Davida i Natàna ka nampiomana azy ny amin' ny tetika nataon' i Adônia (Adôniasa) hisomparana an' i Sôlômôna (na Salômôna) raha teo am-pandriana i Davida, ka izany no nahatonga ny fanosorana an' i Sôlômôna ho mpanjaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]