Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Transfiguration pending
Aller au contenu

Vahỳ (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy vahy any Pakistàna

Ny Vahỳ dia vahoaka mpifindrafindra monina any Azia Afovoany izay miteny vahỳ, izay fiteny iraniana any Pamir nandray singa betsaka avy amin' ny fiteny tajiky. Hita indrindra ao amin' ny Lalantsara Wakhan ao Afganistàna izy ireo ary koa any Tajikistàna, Pakistàna ary Xinjiang any Sina.

Matetika mifandray amin' ny mponina animista nonina tany Kafiristan ny Vahỳ ka animista na bodista izy ireo taloha. Taorian' ny naharesen' i Kafiristan tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19 dia lasa Mozilmana ny mponina tao, ary nitondra ny anara hoe Nuristan ilay faritra. Nanaraka an' io hetsika io ny Vah ary nandray ny finoana silamo ny ankabetsahany teo anelanelan' ny taona 1875 sy 1900. Amin' izao fotoana izao dia vitsy amin' ny Vahỳ no animista. Mbola misy vondrona bodista vitsivitsy ao amin' ny Lalantsara Wakhan. Nandritra ny fitondran' ny Talibàna tao Afganistàna, tamin' ny taona 1996 ka hatramin' ny 2001, dia tena tsy fahita firy ny fifandraisana tamin' ny Talibàna, indrindra satria nolavin' ity fitondrana ity izy ireo.