Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Ahia

Avy amin'i Wikipedia
I Ahia sy i Jerôbôama, sary nataon' i Gerard Hoet, taona 1728.

I Ahia na Ahia avy any Silô dia mpaminany resahina ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka. I Ahia dia anisan' ny fokom-pirenen' i Levy avy any amin' ny tanàna atao hoe Silô. Tamin' ny andron' ny mpanjaka Sôlômôna (na Salômôna) izy no niasa ka tamin' izany izy dia namporisika ny olona hikomy amin' ny mpanjaka. Naminany izy fa i Jerôbôama no handimby an' i Sôlômôna eo amin' ny fanjakana (1Mpanj. 11.29).

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אחיה השילוני / Aḥiya HaShiloni izay midika hoe "Ahia ilay Silônita". Ny hoe אחיה / Ahiya dia midika hoe "Rahalahin' i Yah", izany hoe "rahalahin' i Yahveh.

I Ahia sy ny vadin' i Jerôbôama

Ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka no itantarana ny asan' ny mpaminany Ahia ka faminaniana roa no voatantara ao. Ny faminaniana voalohany dia miresaka ny amin' ny hisarahan' ny Fanjakan' i Israely amin' ny Fanjakan' i Jodà aorian' ny fanapahan' i Sôlômôna (1Mpanj. 11.31). Ny faminaniana faharoa dia ny fanambaràna tamin' ny vadin' i Jerôbôama ny hahafatesan' ny mpanjaka sy ny handravana ny "tranon' i Jerôbôama" (1Mpanj. 14). Ny Boky faharoan' ny Tantara dia miresaka ihany koa ny amin' ny "faminanian' i Ahia avy any Silô" izay nanambara mialoha ny asan' ny mpanjaka Sôlômôna (2Tant. 9.29).