Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Behemôta

Avy amin'i Wikipedia
Behemôta ny Leviatàna

I Behemôta dia bibidia resahina ao amin' ny Bokin' i Jôba (Jôba 40:15-24) ao amin' ny Baiboly, ary izy no endriky ny biby goavan' ny korontambe (khaos) tany am-boalohany noforonin' Andriamanitra tamin' ny fiandohan' ny famoronana; miaraka amin' ilay biby goavam-ben' ny korontambe hafa, ato hoe Leviatàna izy, ary araka ny lovantsofina jiosy taty aoriana dia samy ho lasa sakafo ho an' ny olo-marina amin' ny andro farany. Atao hoe בְּהֵמוֹת / bəhēmōṯ izy amin' ny teny hebreo. Fantatra amin' ny teny arabo hoe بهيموث / Bahīmoūth na بهموت / Bahamūt izy io. Amin' ny heviny am-panoharana, io anarana io dia nanjary nampiasaina hanonadoana ny zavatra rehetra goabvambe na mahery.