Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Belizy

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Belizy
Toerana misy an' i Belizy
Sarin-tanin' i Belizy

I Belizy na Beliza dia firenena ao Amerika Afovoany, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaiba. Ny renivohiny dia i Belmopan. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Belize City. Mirefy 22 966 km2 ny velarany ary niisa 334 297 ny mponina ao aminy tamin' ny Jolay 2013. Ny faritr' ora dia −6.

Iva sady be honahona ny antsasaky ny velaran-tany ao avaratra. Ny antsasany avaratra kosa ahitana tendrombohitra madinika maro. Ahitana atoll maro sy sakana haran-dranomasina ny morontsiraka. Saika ny antsasaky ny velaran-tanin' i Belizy dia rakotra ala. Toetany ambanin-jana-pehin-tany ny toetany any.

Ny mponina any Belizy no kely hakitroka indrindra any Amerika Afovoany. Safiotra ny ankamaroan' ny mponina ka ny tena maro anisa dia ireo manam-piaviana afrikana. Katôlika ny antsasa-manilan' ny mponina, betsaka ihany koa ny Prôtestanta.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Beliza ka ny tena volena any dia ny fary izay amokarana siramamy, ny vary ny hazo fihinam-boa. Ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy ny famokarana sy fandrafetana hazo ary ny fanenomana lamba no taozava-baventy manjaka any.

Zanataty britanika taloha i Belizy (nantsoina hoe Hôndorasy Britanika izy tamin' izany fotoana izany) izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1981. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny mpanjakan' i Angletera no filoham-panjakana izay soloan' ny governera jeneraly tena any.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.