Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Botàna

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Botàna
Sarin-tanin' i Botàna eo anivon' izao tontolo izao
Sarin-tanin' i Botàna

I Botàna dia firenena ao Azia Atsimo, ao amin' ny faritra misy an’ i Himalaya, tsy manana morontsiraka. Ny renivohiny dia i Thimphu izay sady tanàna lehibe indrindra any koa. Mirefy 38 394 km2 ny velarany ary niisa 782 318 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2020. Atao hoe Botaney ny vahoaka ao aminy. Ny faritr' ora dia +6. Atao hoe Fanjakan' i Botàna koa izy. Mamaritra azy avy ao atsimo i India ary avy ao avaratra i Sina. Ny fiteny jôngka no fiteny ôfisialy any.

Firena be tendrombohitra i Botàna, ary roa ny tendrombohitra manana haambo mihoatra ny 7 000 m, dia i Chomo Lari (7 314 m) sy i Kula Kangri (7 554±m). Be ala koa ity firenena ity. Isan-karazany ny biby hita any, ka anisan' izany ny elefanta, ny leôparda, ny orsa (na bera), ny serfa ary ny tigra.

Ny Botany no vahoaka betsaka ao Botàna, nefa ny Nepaley dia betsaka ihany koa. Ny 70 %n' ny mponina dia manaraka ny fivavahana bodista, ny fivavahana hafa dia ny hindoisma sy ny silamo.

Saika mpamboly avokoa ny mponina any Botàna. Na dia izany aza dia nanomboka mandroso ny fizahàn-tany taona vitsivitsy lasa izay. Miankin-doha amin' i India i Botàna, indrindra amin' ny lafiny ara-toekarena.


Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.