Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Haosa (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Haosa mitsoka agaita

Ny Haosa dia vahoaka ao amin' ny faritra Sahel izay monina indrindra any amin' ny tapany avaratra amin' i Nizerià sy atsimo amin' i Nizera. Iray amin' ny vondrom-poko lehibe indrindra eto Afrika izy raha ny isan' ny olona ao aminy no heverina (86 tapitrisa). Ny faritra nonenan' izy ireo nandritra ny taonjato maro dia mitondra ny anarana hoe "Tanin' ny Haosa" (Kasar Hausa na Hausaland amin' ny teny anglisy).

Miteny amin' ny fiteny haosa, izay ao amin' ny vondrom-piteny tsadika, zana-bondrona ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika, izy ireo. Ity fiteny ity dia fiteny ifandraisan' ny tsy mitovy fiteny (lingua franca) ihany koa ho an' ny mponina hafa.

Mpamboly sy mpanao asa tanana ny Haosa izay namolavola sivilizasiôna an-tanàn-dehibe mifototra amin' ny fivarotana asa tanana vita amin' ny hoditra sy ny vy, ny fanenomana ary ny vokatry ny fambolena.

Haosa mpively amponga

Amin' izao fotoana izao ny ankamaroan' izy ireo dia mbola mipetraka any amin' ny tanàna kely ka ao izy ireo no mamboly hatao sakafo sy mivarotra ary miompy. Maro ny mpanao raharaham-barotra nipoitra avy amin' ny vondrom-piarahamonina haosa any avaratra amin' i Nizerià, toa an' i Aliko Dangoté (mpanan-karena indrindra aty Afrika).