Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Hetsika karismatika evanjelika

Avy amin'i Wikipedia

Ny hetsika karismatika evanjelika na hetsika karismatika ara-pilazantsara dia firehan' ny kristianisma evanjelika (na evanjelisma) izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny taona 1960 ity "onja faharoa" ity ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Miavaka amin' ny pentekôtisma io hetsika io noho izy tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny batisan' ny Fanahy Masina izay nambaran' i Jesoa mialoha, sady manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina.

Tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny pentekôtisma sy ny fanombohan' ny hetsika karismatikan' ny Paska tamin' ny taona 1960 tao amin' ny fiangonana episkôpaliana iray tany Los Angeles, dia nanapa-kevitra ny hanaraka ny fampianaran' ity hetsika ity ny fiangonana evanjelika sasany ary handao ny antokom-pinoana kristianina pentekôtista[1]. Ny fiangonana Calvary Chapel Association any Costa Mesa (Los Angeles) dia anisan' ny kôngregasiôna ara-pilazantsara karismatika voalohany tamin' ny taona 1965, na dia nilaza aza izy fa kristianisma tsy miankina amin' ny fiangonana tranainy[2][3]. Any amin' ny Fanjakana Mitambatra, ny fiangonana Jesus Army, naorina tamin' ny taona 1969, dia ohatra iray amin' ny fiantraikany ivelan' i Etazonia[4]. Nisy fiangonana maro hafa naorina tany amin' ny tany hafa[5][6]. Araka ny fanadihadiana nataon' ny Pew Research Center navoaka tamin' ny taona 2011 momba ny Karismatika izay mampivondrona ny hetsika rehetra ao amin' ny kristianisma karismatika, izany hoe Evanjelika tsy miankina, Katôlika, na Ôrtôdôksa ary Prôtestanta, dia misy 304 tapitrisa ny Karismatika eran-tany[7].

Ny mampiavaka azy

[hanova | hanova ny fango]

Na dia eo akaikin' ny singa ara-teôlôjia sasany ao amin' ny pentekôtisma aza ny hetsika karismatika evanjelika dia tsy manao ny fitenenana amin' ny fiteny tsy fantatra (grika: glossolalia) ho porofo ilaina amin' ny batisan' ny Fanahy Masina, satria heverina ho anisan' ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy sivy hafa izany, fa tsy misy ny ambony sy ny ambany[8][9]. Hamafisiny bebe kokoa ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavana sivin' ny Fanahy Masina voalaza ao amin' ny 1Kôrintiana 12 :8-10, dia ny fahendrena, ny fahalalana, ny finoana, ny fanasitranana, ny fahagagana, ny faminaniana, ny fahalalana, ny fiteny tsy fantatra, ny fandikana ny fiteny tsy fantatra[10][11]. Ity hetsika ity ihany koa dia nmpandroso ny fiaraha-mientana ekiomenika eo amin' ny fiangonana samihafa, indrindra fa ireo fikambanana iraisam-pinoana toa ny Youth With A Mission sy ny Full Gospel Business Men's Fellowship International ary ny Global Teen Challenge[12].

Ity hetsika ity dia antsoina koa hoe neô-pentekôstisma na pentekôtisma vaova[13].

Adihevitra

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2013, ny pastora kristiana evanjelika John F. MacArthur dia nanakiana ny hetsika karismatika noho ny fanohanan' ny maro anisa ny teôlôjian' ny fanambinana izay niteraka zava-manafintohina ara-bola sy ara-môraly, ny fanakaikezany amin' ny New Age izay anehoana an' Andriamanitra ho mpanompon' ny filan' ny mpino, ny faminaniana sandoka. ary ny fanompoam-pivavahana mikorontana[14]. Ny mpitantana ankapobeny pentekôtista ao amin' ny Fiangonan' Andriamanitra (na Assemblies of God) any Etazonia, George O. Wood, dia niaiky fa nisy tranga mitokana momba ny fitondran-tena tsy mety sy ny fampianarana diso tao amin' ny fiangonana pentekôtista sy karismatika, saingy nandray anjara lehibe tamin' ny fitoriana ny filazantsara teto an-tany ilay hetsika[15].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Randall Herbert Balmer, Encyclopedia of Evangelicalism, Baylor University Press, USA, 2004, p. 149
  2. Ron Rhodes, The Complete Guide to Christian Denominations: Understanding the History, Beliefs, and Differences, Harvest House Publishers, USA, 2015, p. 340
  3. Douglas A. Sweeney, The American Evangelical Story: A History of the Movement, Baker Academic, USA, 2005, p. 150–151
  4. Simon Cooper, Mike Farrant, Fire in Our Hearts: The Story of the Jesus Fellowship/Jesus Army, Multiply Publications, England, 1997, p. 169
  5. Serge Dewel, Mouvement charismatique & pentecôtisme en Éthiopie : identité & religion, l'Harmattan, France, 2014, p. 21
  6. Ed Stetzer, Understanding the Charismatic Movement [Arsiva], Christianity Today, USA, October 18, 2013
  7. Pew Research Center, Christian Movements and Denominations [Arsiva], 19 décembre 2011, USA
  8. Walter A. Elwell, Evangelical Dictionary of Theology, Baker Academic, USA, 2001, p. 222
  9. Benjamin G. McNair Scott, Apostles Today: Making Sense of Contemporary Charismatic Apostolates: A Historical and Theological Appraisal, Wipf and Stock Publishers, USA, 2014, p. 7
  10. William H. Swatos, Peter Kivisto, Encyclopedia of Religion and Society, Rowman Altamira, USA, 1998, p. 81
  11. Sébastien Fath, Du ghetto au réseau. Le protestantisme évangélique en France, 1800-2005, Édition Labor et Fides, Genève, 2005, p. 219-220
  12. Sébastien Fath et Jean-Paul Willaime, La nouvelle France protestante: essor et recomposition au XXIe siècle, Édition Labor et Fides, Genève, 2011, p. 141
  13. Sébastien Fath et Jean-Paul Willaime, La nouvelle France protestante: essor et recomposition au XXIe siècle, Édition Labor et Fides, Genève, 2011, p. 141
  14. Michael Gryboski, Excerpts From John MacArthur's 'Strange Fire' Book Suggest Flames of Controversy Over Charismatic Mov't to Still Burn [Arsiva], christianpost.com, USA, 24 Ôktôbra 2013
  15. Nicola Menzie, Assemblies of God Leader Acknowledges Some 'Strange Fire' Among Pentecostals, Charismatics [Arsiva], christianpost.com, USA, 29 octobre 2013