Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Kelimalaza

Avy amin'i Wikipedia

I Kelimalaza na Ikelimalaza na Rakelimalaza dia iray amin' ny sampy roa ambin' ny folon' ny mpanjaka merina izay notehirizina tao Ambohimanambola hatramin' ny andron-Ralambo (faramparan' ny taonjato faha-16) ary nodorana tamin'ny andron' ny mpanjakavavy Ranavalona II tamin' ny taonjato faha-19.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Nivavaka amin' andriamanitra iray fara tampony ny Malagasy fahiny, nefa tsy nanary ny fivavahana animista sy amin' ny razana ary ny fetisista, izay nandroso be nanomboka tamin' ny taonjato faha-17[1].

Ny fiaviany

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fitantaran' ny boky Tantara ny Andriana dia nisy vehivavy betsileo atao hoe Kalobe na Rakalobe tonga tao Imerina tamin' ny andron-dRalambo nitondra zavatra kely mifono ravin' ankondro sy ahitra. Avy nandao ny tanànany tao Isondra any amin' ny tanin' ny Betsileo, izay ravan' ny afo, izy ka nandeha lavitra sady tsy nandeha raha tsy amin' ny alina mba hanomezany ny mpanjaka an' i Kelimalaza. Noraisin-dRalambo ilay sampy ka nanamboarany trano teo amin' ny tanàna akaikin' ny lapany. Nifidy olona hianatra ny tsiambaratelo momba io sampy io amin' i Kalobe ny mpanjaka Ralambo. Nataon' ny mpanjaka izay hahafatesan' i Kalobe rehefa azo daholo ny momba an' i Kelimalaza, amin' izay tsy ho entiny mandositra ilay sampy[1][2].

Ny fikarakarana sy fanajana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ikelimalaza no sampy nohajaina indrindra miohatra amin' ny sampim-panjakana niisa roa ambin' ny folo tao Imerina. Tao Ambohimanambola (4 km atsinanan' Antananarivo) no nitahirizana azy[1].

Tapa-kazo roa natambatra hanana endrika V sady napetaka amin' ny tapa-dambamena sy nofonosina lambalandy ary nohidiana anaty vata i Kelimalaza. Izany rehetra izany dia napetraka eo ambony vola sy firavaka volafotsy. Niantso azy hoe "mpanjakan' ny sampy" i Andrianampoinimerina.

Novalàna ny toerana nisy ilay sampy ka maro ny fady momba azy sy ny toerana misy azy. Tsy azo nampidirana Vazaha na soavaly na basy na kisoa na osy ny ao Ambohimanambola. Raha tsy voatandrina izany dia natahorana ny hisian' ny aretina sy ny tsy fahavokaran' ny fambolena ary ny loza samihafa.

Anaovana sorona sy fanatitra i Kelimalaza mba hahasitranan' ny aretina sy hananana anaka ary hampahavokatra ny tany. Ny fodilahimena sy ny borona ary ny horondrano no zavamaniry natokana ho azy[3].

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Heverina fa nanana hery sy hasina hanome fandresena amin' ny ady, hampitsahatra ny havandra, sns Ikelimalaza[1]. Isan-taona ny mpitahiry azy dia nanambara ny fotoana tsara hambolena vary, ny loza hateraky ny varatra, ny hisian' ny voay mihinana olona, ​​sns[3]. Nivarotra ody basy (fiarovana amin’ ny balam-basy) sy ody lefona (fiarovana amin' ny lefona) ary tandroka misy menaka masina (mohara) ary sakaitany voahasina sy zavatra maro hafa ny mpitahiry an' Ikelimalaza[4].

Fiafarany

[hanova | hanova ny fango]

Nodoran-dRanavalona II niaraka amin' ny sampy hafa i Kelimalaza tamin' ny 9 Septambra 1869[1], tamin' ny nampidirany ny fivavahana kristiana ho fivavaham-panjakana tao amin' ny lapan' ny mpanjaka merina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 1,1 1,2 1,3 et 1,4 Rajemisa-Raolison Régis, Dictionnaire Historique et Géographique, Ambozontany, 1966.
  2. De La Vaissière, Camille; Abinal, Antoine (1885). Vingt ans à Madagascar: colonisation, traditions historiques, moeurs et croyances (in French). Paris: V. Lecoffre. pp. 63–71. Notsidihina 19/02/2011.
  3. 3,0 et 3,1 Tantaran' ny Andriana, Edition de l'Académie Malgache, Tome 1, p. 330-333.
  4. Boiteau Pierre, Dictionnaire des noms malgaches de végétaux, 1999. Editions Alzieu: v1: 494, v2: 491, v3: 493, v4: 490. Boky: 4.)