Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Manganezy

Avy amin'i Wikipedia
Manganezy

Ny manganezy dia singa ara-tsimia izay karazana metaly mora vaky, miloko fotsy, aseho amin' ny eva ara-tsimia hoe Mn (fanafohezana ny teny latina hoe Manganum) sady mitondra ny laharana araka atôma 25. Metaly tetezamita ny manganezy. Tamin' ny taona 1774 no nahafantarana voalohany ny manganezy tamin' ny alalan' ny fikarohana nataon' ilay simista soedoà atao hoe Carl Wilhelm Scheele.

Solfatana manganezy.

Ny manganezy dia singa simika misy miratoerana marin-toerana tokana. Amin' ny maha zaka tsotra azy, ny manganezy dia metaly tetezamita, izay manopy volombatolalaka rehefa amin' ny toetra vainga. Maherin' ny 15 tapitrisa taonina amin' io singa io no vokarina isan-taona, ampiasaina amin' ny indostria na fambolena. Ao amin' ny indostria, ny manganezy dia ampiasaina indrindra hafangaro amin' ny metaly misy taharo vy, ary manampy amin' ny fanatsarana ny toetra sy ny famokarana diôksidana manganezy (MnO2) hampiasaina amin' ny tanjona isan-karazany. Amin' ny fambolena, noho ny anjara asany amin' ny maha singa amin' ny fatra bitika azy, dia ampiasaina ny manganezy mba hahatonga ny nofon-tany hanana azy ampy. Na dia ilaina ho an' ny vatan' olombelona aza izy dia mety ho lasa poizina raha mihoatra ny fetra sasany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]