Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

QIT-Fer et Titane

Avy amin'i Wikipedia
Vagô mampidina ilmenita, avy any amin' ny toeram-pitrandrahana any amin' ny farihy Tio eo amin' ny seranan-tsambon' i Havre-Saint-Pierre, Québec/Kanada. Ao amin' ny tanin' ny orinasa Rio Tinto Fer et Titane izay nitantana ilay toerana nanomboka tamin' ny taona 1948.

Ny QIT-Fer et Titane, izay atao hoe koa Rio Tinto Fer et Titane, izay fantatra tany aloha tamin' ny anarana hoe QIT (Quebec Iron and Titanium corporation) dia orinasa kebekoà, izay sampan' ny orinasa mpitrandraka iraisam-pirenena tao hoe Rio Tinto.

Ny fitrandrahana sy ny fanodinana ny ilmenita izay akora misy titàna no tena asa sahaniny. Roa ny toerana lehibe anaovan' ny QIT-Fer et Titane ny fitrandrahana:

  1. ny fitrandrahana ilmenita ao amin' ny farihy Tio eo akaikin' i Havre-Saint-Pierre ao avaratr' i Quebec sady manadio ny akora azo izy (diôksidana titàna sy vy anidina sy fanitso ary metaly hafa koa) ao amin' ny tapany atsimon' i Quebec. Tamin' ny taona 2008 dia nampiasa olona 300 ny fihadiana sy ny fitaterana ny akorana ilmenita.
  2. Orinasa Rio Tinto ao Sorel Quebec
    ny fanodinana akoram-by ao Saint-Joseph-de-Sorel, mifanefitra amin' i Sorel-Tracy any Kanada, izay mamokatra akora misy titàna sy metaly. Vokarin' ny Poudres Metalliques du Québec, izay orinasa miray aminy ihany, ny vokatra sasany. Tamin' ny taona 2008 dia nampisa olona miisa 1 750 io toeram-pitrandrahana io, izay sahanin' ireo orinasa roa ireo[1]. Manodina ny akorana ilmenita avy ao amin' ny farihy Tio izy.

Tamin' ny taona 2009 ity orinasa ity dia nanomboka nampiasa ny ilmenita avy eto Madagasikara, izay trandrahan' ny zanak' orinasan' i Rio Tinto ihany koa, dia ny QIT Madagascar Minerals ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Rio Tinto Fer et Titane, Rapport de développement durable 2008.