Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Satanisma

Avy amin'i Wikipedia
Matetika ampiasaina hanehoana ny satanisma ny pentagrama mivadika anaty faribolana (fantatra koa amin' ny anarana hoe pentakla).

Ny satanisma dia vondrom-pinoana ara-pivavahana sy ara-potokevitra (araka ideôlôjia) ary ara-pilôzôfia mifototra amin' i Satana, indrindra ny fivavahana aminy na ny fanompoana azy. Matetika no ampifandraisina amin' i Devoly ao amin' ny kristianisma i Satana, i Devoly izay anjely lavo heverina ho lehiben' ny demony izay maka fanahy ny olombelona hanota. Nandritra ny taonjato maro, ny teny hoe "satanisma" dia nampiasain’ ny antoko kristiana isan-karazany ho fiampangana ny mpanohitra ara-poto-kevitra, ho fanaratsiana ireo izay heverina fa mpanaraka finoan-diso isan-karazany sy ny mpihevitra malalaka ary ny paganista.

Mifanohitra amin' izany kosa, ny satanisma miton-tena dia trangan-javatra somary môderina, izay nanomboka tamin' ny nananganan' i Anton LaVey ny Fiangonan' i Satana (tsy manao an' i Satana ho andriamanitra na anjely) tany Etazonia tamin' ny taona 1966. Talohan' io fotoana io dia nisy voalohany indrindra ny satanisma amin' ny maha antom-piampangan' ny antokom-pivavahana kristiana isan-karazany azy manoloana an' ireo izay heverin' ireo antokom-pivavahana ireo ho mpanohitra ara-potokevitra fa tsy amin' ny maha izy azy na ny maha finoana ara-pivavahana azy. Nampiasain' ny mpanakanto sy ny mpiala voly koa ho fanehoana an' ohatra ny satanisma, sy ny hoe "Satana".

Ny fiampangana fa nivavaka amin' ny devoly ny vondrona isan-karazany dia niseho nandritra ny ampahany be amin' ny tantaran' ny kristianisma. Nandritra ny Andro Antenatenany dia nilaza ny Inkizisiôna notarihin’ ny Eglizy Katôlika fa nanao fombafomba satanika miafina ny sekta sy antokon' olona kristiana mpampianatra finoan-diso (heretika), toy ireo ao amin' ny Fikambanan' ny Tempolin' i Sôlômôna sy ny Katara. Tamin' ny fanombohan' ny vanim-potoana môderina nanarakaraka izany dia niafara amin' ny fitsarana faobe an' ireo lazaina fa vehivevy mpamosavy manerana an' i Eorôpa sy any amin' ireo zanatany any Amerika Avaratra ny finoana niely patrana momba ny firaisana tsikombakomba satanika nataon' ny vehivavy mpamosavyr(indrindra teo anelanelan' ny taona 1560 sy 1630).

Nipoitra nandritra ny Fanavaozana prôtestanta sy ny Fanoherana ny Fanavaozana (1517–1700) ny teny hoe “satanista” sy “satanisma”. Ny fiampangana fa nisy firaisana tsikombakomba satanika, ary tao ambadiky ny fisehoan-javatra toy ny fandrosoan' ny prôtestantisma (ary ny mifanohitra amin' izany, nilaza ny Prôtestanta fa ny Papa no Antikristy) sy ny Revôlisiôna Frantsay dia nitohy tao amin' ny tontolo kristiana teo anelanelan' ny taonjato faha-18 sy faha-20.

Tonga amin' ny tampony vaovao ny hevitra momba ny tsikombakomba satanika midadasika, izay nilaza fa ny Framasao dia nanompo an' i Satana sy i Losifera ary/na i Bafômeta tamin' ny alalan' ny fombafombany. Tamin' ny taompolo 1980 sy 1990 dia niely manerana an' i Etazonia sy ny Fanjakana Mitambatra ny tahotra momba ny fanararaotana ara-pivavahana satanika, fa misy vondrona satanista maro nametaveta sy namono ankizy tsy tapaka ao amin' ny fombafomba fivavahany. Amin' ny ankapobeny dia tsy nisy ny porofo manamarina fa mpivavaka amin' i Satana na meloka noho ny fiampangana azy ireo vondrona voampanga ho satanista ireo.

Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-19 dia nipoitra ny antokom-pivavahana madinika isan-karazany izay milaza ho satanista na mampiasa sarimasina satanika. Ny vondrona satanista maro izay niseho taorian' ny taompolo 1960 dia samy hafa be, saingy azo zaraina ho satanisma teista sy satanisma ateista. Tsy mihevitra an' i Satana ho mahery indrindra ireo izay manaja azy ho toy ny andriamanitra fa manao azy ho patriarika (manana fahefana fara tampony). Mihevitra an' i Satana ho tandindon' ny toetra sasany ananan' ny olombelona ny satanista ateista fa tsy manao azy ho tena misy. Hatramin' ny nananganana ny ny Tempolin' i Satana tamin' ny taona 2012 dia nahasarika mpikambana an-tapitrisany eran-tany ny satanisma.

Trangan-javatra any Amerika indrindra ny satanisma ara-pivavahana amin' izao fotoana izao; vokatry ny fanatontoloana sy ny Internet ny hevitra miely any an-kafa. Nahafahan' ny mpiray vondrona mifanerasera ny Internet, ary io koa no sahan' ady lehibe amin' ny fifandirana momba ny satanisma. Nanomboka tonga tany Eorôpa Afovoany sy Eorôpa Atsinanana ny satanisma tamin’ ny taompolo 1990 — tamin’ ny fotoana nianjeran’ ny Vondrona Kôminista — ary indrindraindrindra tany Pôlônina sy tany Litoania, izay firenena anjakan' ny katôlisisma indrindra.