Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Sora-tsikidy

Avy amin'i Wikipedia
Sora-tsikidy 16

Ny sora-tsikidy, ao amin' ny fisikidiana, dia endrika alain' ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan' ny voan-tsikidy mamorona azy. Miisa 16 izy ireo. Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin' ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin' ny fàfana.

Marika voalohany ampiasaina amin' ny fisikidiana, izay fanao efa tamin' ny Andro Taloha, ny sora-tsikidy 16. Misy andalana efatra maneho ny singa klasika ny sora-tsikidy tsirairay ary azo adika amin' ny fomba sy fanontaniana samihafa. Avy any Atsinanana Afovoany ny sikidy nampidirina tany Eorôpa tamin' ny Andro Antenatenany, izay nahazoany ny heviny ara-panandroana sy fandikana vaovao isan-karazany. Misy fitoviana ivelany amin' ny ba gua, izay lahatelo miisa valo ao amin' ny I Ching (lahatsoratra klasika sinoa), ireo sora-tsikidy ireo.

Manana anaran-toetra sy dikany miavaka ny sora-tsikidy tsirairay. Ny sora-tsikidy dia sokajina araka ny toetra ananany toy ny fahamarinan-toerana na ny fihetsiketsehana, ny tsy fitanilana na ny fiangarana, ary ny fidirana na ny fivoahana. Manome fahasamihafana kely amin' ny fadikana ireo fanasokajiana ireo. Mifandray amin' ny singa efatra sy ny evan' ny zôdiaka, ny planeta ary ny fizaràn' ny vatana ireo sora-tsikidy ireo. Azo ampiarahina arakaraka ny toetrany izy ireo. Ny fifandraisana ara-panandroana misy eo amin' ireo sora-tsikidy ireo, izay nampidirina tao Eorôpa, dia vao mainka nampitombo ny heviny sy ny fifandraisan' izy samy izy.

Ireto avy ireo sora-tsikidy ireo amin' ny teny latina: Via (Lalana), Cauda Draconis (Rambon' ny Dragona), Puer (Zazalahy), Fortuna Minor (Vintana Kely), Puella (Zazavavy), Amissio (Fahaverezazna), Carcer (Fonja), Laetitia (Fifaliana), Caput Draconis (Lohan' ny Dagona), Conjunctio (Fitohizana), Acquisitio (Fahazoana), Rubeus (Mena), Fortuna Major (Vintana Lehibe), Albus (Fotsy), Tristitia (Alahelo), Populus (Vahoaka).

Ny sora-tsikidy 16

[hanova | hanova ny fango]

Misy andalana efatra ny sora-tsikidy tsirairay, misy teboka iray na roa ny andalana tsirairay.

Via

Ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 1 1 1] ny sora-tsikidy Via. Ny teny latina hoe "via" dia ilazana ny lalana. Mitovy endrika amin' ny lalana ity sora-tsikidy ity. Heverina ho ratsy amin' ny ankamaroan' ny tranga izy, saingy tsara ho an' ny resaka momba ny lalana sy ny dia na fandehanana lavitra. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Cancer (Foza na Asorotany) sy ny Volana mihilana izy, ary ny rano no singa anatiny sy ivelany. Mavitrika ny singa rehetra ao amin' ny Via ka noho izany dia manondro fiovana be mihoatra ny sora-tsikidy hafa rehetra ity sora-tsikidy ity. Raha momba ny vokatry ny toe-javatra sikidina kosa dia tsy miandany izy, afa-tsy ny toetrany miova hoazy izay mety miteraka vokatra tsara na ratsy. Mamadika ny sora-tsikidy rehetra ampivadina aminy ity sora-tsikidy ity, ka manome azy io dikany hafa amin' ny fiovana. I Hasmôday (חשמודאי / Chashmodai na Asmôdeo) no mpanapaka ara-planetany, ny faharanitan-tsainy dia ny Faharanitan-tsain' ny faharanitan-tsaina Malkah beTarshishim ve-ad Ruachoth Shechalim, ary ny Fanahin' ny fanahy Shad Barshemoth ha-Shartathan no fanahiny. Mifandray amin' ny andriamanitra Diana (Diana) sy Merkiora (Mercurius) ary ny anjely Gabriela (גַּבְרִיאֵל / Gabriel) sy Moriela (מוריאל / Muriel) izy. Mifandray amin' ny vavony izy. Io no atao hoe "Tareky" na "Taraiky" amin' ny sikidy malagasy.

Cauda Draconis

[hanova | hanova ny fango]
Cauda Draconis

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 1 1 2] ny Cauda Draconis. Ny hoe "cauda draconis" dia teny latina midika hoe "rambon' ny dragona" sady endriky ny "vona atsimon' ny Volana". Heverina ho tena ratsy izany amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra, ka amin' ny fanao tamin' ny Andro Taloha, raha io no sora-tsikidy voalohany azo, dia najanona ny famakiana ny sikidy. Tsara ihany izy amin' ny toe-javatra misy famaranana na famitana zavatra, toy ny fandravana fifandraisana. Mitondra ny tsara izy raha miaraka amin' ny ratsy, ary ny ratsy raha miaraka amin' ny tsara. Mifandray amin' ny planeta mandoza Satiorna sy Marsa izy ary ny Virgo (Virijiny na Asombola) no ny famantarana ara-panandroany. Ny afo no singa anatiny sy ivelany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Agiela (אגיאל / Agiel) sy i Grafiela (גראפיאל / Graphiel) ary ny fanahiny dia i Zazela (זזאל / Zazel) sy i Bartsabela (ברצבאל / Bartzabel); mifandray amin' ny andriamanitra Marsa (Mavors) sy Satiorna (Saeturnus) ary Atena (Athena) izy, sy amin' ny anjely Kasiela (כשיאל / Kasiel) sy Samaela (סַמָּאֵל / Samael) ary Malkidaela (Malchidael) izy. Mifandray amin' ny sandry havia izy. Io no atao hoe "Karija" amin' ny sikidy malagasy.

Puer

Ny Puer dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 1 2 1]. Teny latina midika hoe "zazalahy" ny hoe "puer". Miedrika sabatra maitsy na sarim-pilahiana mitsangana ity sora-tsikidy ity. Manondro ny herin' ny lehilahy, indrindra ny herisetra sy ny firehetam-po izy, nefa koa ny ady sy ny fiainana ara-piraisana ara-nofon' ny lahy. Ratsy izy amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra, fa tsara kosa amin' ny toe-javatra ananan' ny ankizilahy talenta (tao amin' ny fiarahamonin' ny Andro Taloha sy Andro Antenatenany): fitiavana sy ady. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Aries (Ondrilahy na Alahamady) sy amin' ny planeta Marsa izy. Ny singa rehetra dia mavitrika afa-tsy ny rano, izay singa mifandray amin' ny fihetseham-po; ny rivotra no singa anatiny, fa noho ny fitondran' i Marsa azy dia ny afo no singa ivelany. Ny faharanitan-tsaina ara-planeta dia i Grafiela (גראפיאל / Graphiel) ary ny fanahiny dia i Bartsabela (ברצבאל / Bartzabel); mifandray amin’ ny andriamanitra Marsa (Mavors) sy Atena (Ἀθηνᾶ / Athena) ary ny anjely Samaela (סַמָּאֵל / Samael) sy Malkidaela ( / Malchidael) izy. Mifandray amin' ny loha izy. Io no atao hoe "Betsivongo" na "Alikasajy" amin' ny sikidy malagasy.

Fortuna Minor

[hanova | hanova ny fango]
Fortuna Minora

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 1 2 2] ny Fortuna Minor. Ny hoe "Fortuna Minor" dia teny latina midika hoe "vintana kely". Maneho ny fahombiazana midina tahaka ny tara-pahazavana avy amin' ny Masoandro ity sora-tsikidy ity. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Leo (Liona na Alahasaty) sy ny Masoandro amin' ny fihilanany mianatsimo; afo avokoa ny "mpanapaka" anatiny sy ivelany. Ity sora-tsikidy ity dia manondro vokatra tsara nefa malemy amin' ny ankamaroan' ny fanontaniana, maneho fahombiazana mandalo izay miankina amin' ny fanampiana avy any ivelany. Ity sora-tsikidy ity dia manampy ny toe-javatra azo vahana haingana ary tsy mila tohanana, Sora-tsikidin' ny fiovana sy ny tsy fahamarinan-toerana koa izy. Ny faharanitan-tsainy ara-planeta dia i Nakiela (נכיאל / Nakhiel) ary ny fanahiny dia i Sôrata (סורת / Sorath); mifandray amin' ny andriamanitra Apôlôna (Apollôn) sy Jopitera (Jupiter), ary ny anjely Mikaela (מיכאל / Michael) sy Verkiela (Verchiel) izy. Mifandray koa amin' ny hazondamosina izy. Io no atao hoe "Alahasady" na "Alahasaty" amin' ny sikidy malagasy.

Puella

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 2 1 1] ny Puella. Teny latina midika hoe "zazavavy" ny hoe "puella" ity sora-tsikidy ity, izay mitovy endrika amin' ny vavam-pivaviana na amin' ny vehivavy be nono. Tsara izy io ho an' ny ankamaroan' ny toe-javatra, indrindra ho an' ny vehivavy, ny hatsaran-tarehy, na ho an' ny toe-javatra momba ny vehivavy. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Libra (Mizana na Adimizana) sy amin' ny planeta Venosy izy; ny singa ivelany dia ny rivotra, fa ny anatiny dia ny rano. Maneho ny fahalemana sy ny fitomoe-poana izy, izay mety ho tsara na ratsy arakaraka ny fanontaniana valiana, na dia tsara amin' ny ankapobeny aza izy dia mitaky ny fihetsehan' ny tena fa izy tsy hanetsika ny toe-java-misy. Izy no mariky ny fiainana ara-nofon' ny vehivavy, mifandanja amin' ny herin' ny Puer (na Zazalahy). Ny faharanitan-tsainy ara-planeta dia i Hagiela (הגיאל / Hagiel) ary i Kedemela (קדמאל / Qedemel) no fanahiny; mifandray amin' ny andriamanitra Venosy (Venus) sy Volkano (Vulcanus) ary ny anjely Anaela (חַנִּיאֵל / Haniel, Anael) sy Zoriela (זוריאל / Zuriel) izy. Mifandray amin' ny voa, ny tapany ambany amin' ny foto-damosina, ny vody ary ny hoditra izy. Io no atao hoe "Alakarabo " amin' ny sikidy malagasy.

Amissio

Ny Amissio dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 2 1 2]. Midika hoe "fahaverezana" ny teny latina hoe "amissio". Maneho sary mitovy amin' ny vilia baolina na kaopy roa mifampiditra mihohoka ny Amissio. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Taurus (Ombilahy na Adaoro) sy amin' ny planeta Venosy manao dia mihemotra izy. Ny singa anatiny dia ny afo nefa ny mifehy azy ao ivelany dia ny tany. Amin' ny ankapobeny, ity sora-tsikidy ity dia ratsy ho an' ny fafana rehetra afa-tsy ireo mahakasika ny fitiavana (amin' ny maha sora-tsikidin' ny andriamanibavy Venosy azy) na amin' ny toe-javatra aniriana fahaverezana sady midika fahaverezana. Matetika izy dia maneho zavatra tsy takatry ny saina. Ny faharanitan-tsaina ara-planeta dia i Hagiela (הגיאל / Hagiel) ary i Kedemela (קדמאל / Qedemel) no fanahiny; mifandray amin' ny andriamanibavy Venosy sy ny anjely Anaela (חַנִּיאֵל / Ḥannīʾēl, Anael) sy Asmôdela (אסמודאל / Asmodel) izy. Mifandray amin' ny vozona sy ny tenda izy. Io no atao hoe "Adalo" amin' ny sikidy malagasy.

Carcer

Ny Carcer dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 2 1 1]. Teny latina midika hoe "fonja" ny hoe "carcer". Sora-tsikidy miendrika sarin' ny fefy, na mason-drojo, na efitra figadrana izy io. Matetika izy io dia ratsy amin' ny toe-javatra rehetra ary manondro fahatarana, na fihemorana, na fatorana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Capricornus (Tandrok' Osy na Adijady) sy amin' ny planeta Satiorna (Saturnus) mihemotra fandeha izy; ny singa anatiny sy ivelany dia ny tany. Manondro ny tsy fihetsehana sy ny hery koa izy. Arakaraka ny fanontaniana dia mety manondro famerana na loharanom-piniavana izy. Amin' ny ankapobeny dia tsy mahasoa izy, saingy mety ho tsara amin' ny fanontaniana mikasika ny fitoniana na ny filaminana. Ny faharanitan-tsainy ara-planeta dia i Agiela (אגיאל / Agiel) ary ny fanahiny dia i Zazela (זזאל / Zazel); mifandray amin' ny andriamanitra Satiorna (Sāturnus) sy i Vesta (Vesta), ary ny anjely Kasiela (כשיאל / Kasiel) sy i Hanaela (הנאל / Hanael) izy. Mifandray amin' ny lohalika sy ny rafi-taolan' ny vatana izy. Io no atao hoe "Alokola" amin' ny sikidy malagasy.

Laetitia

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [1 2 2 2] ny Laetitia. Ny hoe "laetitia" dia ny latina midika hoe "fifaliana". Manana endrika toy ny andohalambo na loharano na avana io sora-tsikidy io. Tsara amin' ny toe-javatra mahakasika ny fifaliana sy ny fahasambarana ny Laetitia. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Pisces (Trondro na Alohotsy) sy amin' ny planeta Jopitera miverin-dalana izy. Ety ivelany izy dia fehezin' ny rano, fa ao anatiny kosa dia fehezin' ny afo. Sora-tsikidy tsara ho an' ny ankamaroan' ny fanontaniana izy, maneho toe-javatra sy fanorenana haingana. Maneho hetsika miakatra, na fahasambarana, na fifaliana izany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Jôfiela (יופיל / Iophiel) ary ny fanahiny dia i Hismaela (הסמאל / Hismael); mifandray amin' ny andriamanitra Jopitera (Jupiter) sy Neptiona (Neptunus) izy, ary ny anjely Sakiela (סחיאל / Sachiel) sy Barkiela (ברכיאל / Barchiel) izy. Mifandray amin' ny tongotra ity sora-tsikidy ity. Io no atao hoe "Alahizana" amin' ny sikidy malagasy.

Caput Draconis

[hanova | hanova ny fango]
Caput Draconis

Ny Caput Draconis dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 1 1 1]. Teny latina midika hoe "lohan' ny dragona" ny hoe "caput draconis". Sora-tsikidy mitovy amin' ny eva ara-panandroan' ny vona avaratra amin' ny Volana ny Caput Draconis. Sora-tsikidy tsy miandany izy (tsara raha miaraka amin' ny tsara, ratsy raha miaraka amin' ny ratsy) nefa tsara ho an' ny fanombohana zava-baovao. Tsara ho an' ny fanombohana sy fahazoana tombony izy, ary raha tsy izany dia tsara raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsara hafa, ary tsy manambina raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsy manambina. Mifandray amin' ny planeta mahasoa Jopitera sy Venosy izy, ary omena ny evan' ny zôdiaka Sagittarius (Mpitifitra Tsipìka na Alakaosy); afo ny singa ivelany ao aminy noho ny fifandraisany amin' ny Sagittarius, fa ny tany kosa no singa anatiny. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Jôfiela (יופיל / Iophiel) sy i Hagiela (הגיאל / Hagiel), ary ny fanahiny dia i Hismaela (הסמאל / Hismael) sy i Kedemela (קדמאל / Qedemel); mifandray amin' ny andriamanitra Venosy sy Jopitera, ary Volkano izy, ary mifandray koa amin' ny anjely Sakiela (סחיאל / Sachiel) sy Anaela (אנאל / Anael) ary Zoriela (זוריאל / Zuriel) izy. Mifandray amin' ny sandry havanana izy. Io no atao hoe "Alakaosy" amin' ny sikidy malagasy.

Conjunctio

[hanova | hanova ny fango]
Conjunctio

Ny Conjunction dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 1 1 2]. Teny latina midika hoe "fitohizana" ny hoe "conjunctio". Mitovitovy endrika amin' ny sampanan-dalana na fikambanan' ny sora-tsikidy roa ity sora-tsikidy ity. Tsy miandany izy (tsara raha miaraka amin' ny tsara, ratsy raha miaraka amin' ny ratsy), nefa tsara kosa amin' ny fampitohizana na famerenan-javatra indray, indrindra ny fanambadiana na ny fifandraisana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Virgo (Virjiny na Asombola) sy amin' ny planeta Merkiora manao dia mihemotra izy. Maneho fitambaran-kery, na tsara na ratsy, izy. Amin' ny tenany ihany, tsy miandany izy io, ka lasa tsara na ratsy arakaraka ny sora-tsikidy manodidina azy. Ny singa ivelany ao aminy dia ny tany, fa ny ao anatiny kosa dia ny rivotra. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Tiriela (תיריאל / Tiriel) ary ny fanahiny dia i Taftartarata (תפתרתרת / Taphthartharath); mifandray amin' ny andriamanitra Merkiora (Mercurius) sy amin' i Keresy (Ceres), ary amin' ny anjely Rafaela (רָפָאֵל / Raphael) sy Hamaliela (המליאל / Hamaliel) izy. Mifandray amin' ny tsinay sy ny amin' ny fitaovam-pandevonan-kanina izy. Io no atao hoe "Alitsimay" amin' ny sikidy malagasy.

Acquisitio

[hanova | hanova ny fango]
Acquisitio

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 1 2 1] ny Acquisitio. Ny hoe acquisitio dia teny latina midika hoe "fahazoana". Sora-tsikidy mitovy endrika amin' ny vilia baolina roa na kaopy roa mitsangana ny Acquisitio. Tsara amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra izany, indrindra amin' ny fakana sy fahazoana zavatra izy. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Sagittarius (Mpitifitra Tsipìka na Alakaosy) sy amin' ny planeta Jopitera izy, miaraka amin' ny singa ivelany fehezin' ny afo sy ny singa anatiny fehezin' ny rivotra. Ho an' ny ankamaroan' ny fafana dia sora-tsikidy tsara izy, afa-tsy raha misy fatiantoka na fahaverezana irina hitranga. Midika fahazoana tombony izy, na ara-bola, na ara-tsaina, na amin' ny endrika hafa, na zavatra eo am-pelatanan' ny tsirairay. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Jôfiela (יוֹפִיאֵל‎ / Iophiel) ary ny fanahiny dia i Hismaela (/ Hismael); mifandray amin' ny andriamanitra Jopitera sy Diana izy, ary amin' ny anjely Sarakiela ( / Sarachiel) sy Adnakiela (Adnachiel). Mifandray amin' ny andilana sy ny fe izy. Io no atao hoe "Mohadidy" na "Alohotsy" amin' ny sikidy malagasy.

Rubeus

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 1 2 2] ny Rubeus. Teny latina midika hoe "mena" ny hoe "rubeus". Ity sora-tsikidy ity dia mitovy endrika amin' ny vera mivadika; fifoterana izany, izany hoe tsara ho an' ny ratsy rehetra ary ratsy ho an' ny tsara rehetra. Sahala amin' ny Cauda Draconis (na Rambon' ny Dragona), ity sora-tsikidy ity dia heverina ho tsy dia tsara loatra ka raha izy no voalohany amin' ny famakiana sikidy dia faranana izany famakiana izany. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Scorpio (Maingoka na Alakarabo) sy ny planeta Marsa miverin-dalana izany; ny singa anatiny dia fehezin' ny rivotra, ary ny singa anatiny dia fehezin' ny rano. Maneho firehetam-po sy fahadisoam-panantenana sy herisetra ary faharatsiana izany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Grafiela (גראפיאל / Graphiel) ary ny fanahiny dia i Bartsabela (ברצבאל / Bartzabel); mifandray amin' ny andriamanitra Marsa, sy amin' ny anjely Samaela (סַמָּאֵל / Samael) sy Barbiela (Barbiel). Mifandray amin' ny fitaovam-pananahana sy ny fitaovam-panariana maloto izy. Io no atao hoe "Alaimora" amin' ny sikidy malagasy.

Fortuna Major

[hanova | hanova ny fango]
Fortuna Major

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 2 1 1] ny Fortuna Major. Ny hoe "fortuna major" dia teny latina midika hoe "Vintana Lehibe". Ny Fortuna Major dia sora-tsikidy mitovy amin' ny fitahiana mitombo avy amin' ny tany ary mamokatra eny amin' ny rivotra. Tsara amin' ny toe-javatra rehetra amin' ny tranga tsara indrindra izy ary maneho vintana tsara, indrindra amin' ny fiandohana. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Leo (Liona na Alahasaty), toa ny Fortuna Minor ("Vintana Kely"), fa ny Masoandro amin' ny alalan' ny fihilanany avaratra. Ny singa anatiny dia ny tany ary ny singa ivelany dia afo. Manondro hery sy fahombiazana izy, ka noho izany dia tena mety amin' ny fifandonana sy ny fifandirana; sora-tsikidin' ny fitoniana sy ny fahombiazana maharitra izy befa koa midika fahasahiranana eo am-piandohan' ny ezaka. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Nakiela (נכיאל / Nakhiel) sy i Sôrata (סורת / Sorath) no fanahiny; mifandray amin' ny andriamanitra Apôlôna sy Jopitera izy, ary koa amin' ny anjely Mikaela (מיכאל / Michael) sy Verkiela (Verchiel) izy. Mifandray amin' ny fo sy ny tratra izy. Io no atao hoe "Asorasady" na "Adabara" amin' ny sikidy malagasy.

Albus

Ny Albus dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 2 1 2]. Teny latina midika hoe "fotsy" ny hoe "albus". Sora-tsikidy mitovy endrika amin' ny vera mitsangana na amin' ny kapoaka izy. Tsara amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra izy, indrindra raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsara, nefa sora-tsikidy malemy izy. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Gemini (Kambana na Adizaoza) sy amin' ny planeta Merkiora izy; na dia ny rano aza ny singa anatiny dia ny rivotra no singa ivelany. Maneho fiadanana sy fahendrena ary fahadiovana izany. Mety ho an' ny fanombohana sy ny fahazoana tombony izany, na ho an' ny toe-javatra rehetra ilana drafitra be pitsiny sy voadinika tsara. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Tiriela (תיריאל / Tiriel) ary ny fanahiny dia i Taftartarata (תפתרתרת/ Taphthartharath); mifandray amin' ny andriamanitra Merkiora (Mercurius) sy Apôlôna (Apollo), ary amin' ny anjely Rafaela (רָפָאֵל / Raphael) sy Ambriela (אמבריאל / Ambriel). Mifandray amin' ny soroka sy ny havokavoka izy. Io no atao hoe "Alibiavo" amin' ny sikidy malagasy.

Tristitia

[hanova | hanova ny fango]
Tristitia

Sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 2 2 1] ny Tristitia. Teny latina midika hoe "alahelo" ny hoe "tristitia". Sora-tsikidy mitovy endrika amin' ny andohalambo tapaka na tsato-kazo naorina amin' ny tany ny Tristitia. Ratsy amin' ny ankamaroan' ny toe-javatra izany ary midika alahelo na fisaonana. Amin' ny fanandroana dia mifandray amin' ny Aquarius (Mpitondra Rano na Adalo) sy amin' ny planeta Satiorna izy. Ny Tristitia dia sora-tsikidy tsy tsara amin' ny fanontaniana rehetra, matetika maneho ny fanaintainana sy ny fijaliana. Na izany aza, tsara izy amin' ny fanontaniana mifandraika amin' ny fahamarinan-toerana, amin' ny fanorenana, na amin' ny tany (toy ny fambolena). Ny singa ivelany dia ny rivotra ary ny singa anatiny dia ny tany. Ny faharanitan-tsaina ara-planetany dia i Agiela (אגיאל / Agiel) ary ny fanahiny dia i Zazela (זזאל / Zazel); mifandray amin' ny andriamanitra Satiorna sy amin' i Jonô, ary amin' ny anjely Kasiela (כשיאל / Kasiel) sy Gabriela (גַּבְרִיאֵל / Gabriel) izy. Mifandray amin' ny kitrokely sy ny ranjo izy. Io no atao hoe "Alikisy" amin' ny sikidy malagasy.

Populus

Ny Populus dia sora-tsikidy ahitana ny filaharam-boantsikidy [2 2 2 2]. Teny latina midika hoe "vahoaka" ny hoe "populus". Sora-tsikidy mitovitovy amin' ny fijerin' ny vorona eny ambony ny vondron' olona ity sora-tsikidy ity, izay mety midika fa mifototra amin' ny olona voakasik' ilay toe-javatra, na maneho olona marobe na mitovy taona aminy. Amin' ny fanandroana dia misy ifandraisany amin' ny Cancer (Foza na Asorotany) sy ny Volana miposaka izy; ny singa anatiny sy ivelany dia ny rano. Enti-milaza fivondronana na fivorian' olona izy io ary tsy miandany, satria na dia mety hihetsika be aza ny olona ao anatin' ny vahoaka dia kely dia kely ny vokany eo amin' ny vahoaka iray manontolo. Tsara izy raha miaraka amin' ny sora-tsikidy tsara, ary ratsy kosa raha miaraka amin' ny sora-tsikidy ratsy. Ny mpanapaka ara-planetany dia i Hasmôday (חשמודאי / Chashmodai), ny faharanitan-tsainy dia ny Faharanitan-tsain' ny faharanitan-tsaina Malkah beTarshishim ve-ad Ruakhoth Shekhalim, ary ny fanahiny dia ny Fanahin' ny fanahy Shad Barshemoth ha-Shartathan. Mifandray amin' ny andriamanitra Diana (Diana) sy Merkiora (Mercurius), sy amin' ny anjely Gabriela (גַּבְרִיאֵל / Gabriel) sy Moriela (מוריאל / Muriel) izy. Mifandray amin' ny nono sy ny vatana izy. Io no atao hoe "Asombola" amin' ny sikidy malagasy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra

[hanova | hanova ny fango]