Svoboda | Graniru | BBC Russia | Golosameriki | Facebook
Aller au contenu

Viktor Yanukovych

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Viktor Ianoukovytch)
Viktor Yanukovych
Ankapobeny
Anarana Viktor Yanukovych
Teraka 9 Jolay 1950
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Firaisan'ny Repoblika Sosialista Sovietika, Okraina
Asa :
Fiainana manokana

I Viktor Fedorovych Yanukovych dia mpanao pôlitika okrainiana teo aloha izay filoham-pirenena fahefatr' i Okraina nanomboka tamin' ny taona 2010 ka hatramin' ny taona 2014. Izy koa dia praiminisitra imbetsaka teo anelanelan' ny taona 2002 sy 2007 ary mpikambana tao amin' ny Verkhovna Rada (Antenimiera okrainiana) tamin' ny taona 2006 ka hatramin' ny taona 2010. Mpikambana ao amin' ny Antokon' ny Faritra (okrainiana: Партія регіонів / Partiia rehioniv) mpomba an' i Rosia i Yanukovych izay niteraka fihetsiketsehana faobe - ny Euromaidan (okrainiana: Євромайдан / Yevromaidan) nanohitra ny fandavany ny fidirana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana ary nesorin' ny parlemanta okrainiana tsy ho filohany tamin' ny taona 2014, tamin' ny fotoana nanombohan' i Rosia nanambatra an' i Krimea ho anisan' ny taniny ary nanomboka ny Adin' i Rosia sy i Okraina. Nanomboka teo dia nipetraka tany an-tsesitany any Rosia izy.

Talohan' ny nidirany tao amin' ny pôlitikam-pirenena, i Yanukovych dia Governoran' ny ôblastan' i Donetsk niaviany tamin' ny taona 1997 ka hatramin' ny taona 2002, sady filohan' ny antenimieran' ilay ôblasta tamin' ny taona 1999 ka hatramin' ny taona 2001.

I Yanukovych dia nirotsaka voalohany ho filoham-pirenena tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2004, izay nirosoany amin' ny fihodinana voalohany ary nambarana azy ho nandresy ny praiminisitra teo aloha Viktor Yushchenko. Na izany aza, ny fiampangana hosoka tamin' ny fifidianana sy fampitahorana ny mpifidy dia niteraka hetsi-panoherana niely patrana ary ny Kianjan' ny Fahaleovantenan' i Kyiv dia feno hipoka tao anatin' ilay antsoina hoe Revôlisiôna Volomboasary (Помаранчева революція / Pomarancheva revoliutsiia). Nanafoana ny fifidianana fihodinana faharoa ny Fitsarana Tampony Okrainiana sady nanome baiko ny hamerenana izany indray, izay nandresen' i Yushchenko an' i Yanukovych. Nirotsaka ho filoham-pirenena indray i Yanukovych tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2010, tamin' ity indray mitoraka ity dia resiny ny praiminisitra Yulia Tymoshenko tamin' ny fifidianana izay heverin' ny mpanara-maso iraisam-pirenena ho malalaka sy ara-drariny.

Viktor Fedorovych Yanukovych

I Yanukovych dia niady hevitra momba ny fanavaozana ara-toekarena, nampitombo ny fandaniana ary, tamin' ny voalohany, nanohy ny fifampiraharahana ara-barotra tamin' ny Vondrona Eorôpeana. Nampanantena izy fa hijanona ho tsy momba ny atsy na ny aroa amin' ny pôlitikan' ny fiarovam-pirenena. Na izany aza, ny taona nitondrany dia nahitana izay nofaritan' ny mpandinika ho fihemoran' ny demôkrasia, izay nahitana ny fanagadrana an' i Tymoshenko, ny fihenan' ny fahalalahan' ny asa fanaovan-gazety ary ny fitomboan' ny kiantranoantrano sy ny kolikoly. Tamin' ny Nôvambra 2013 dia nanapa-kevitra tampoka i Yanukovych, tao anatin' ny fanerena ara-toekarena avy amin' i Rosia, mba hiala amin' ny fanaovana sonia fifanaraham-piaraha-miasa amin' ny Vondrona Eorôpeana ka hanaiky ny fifanarahana ara-barotra sy fampindramam-bola fanavotana miraka amin' i Rosia. Niteraka hetsi-panoherana faobe hanoherana azy izany izay nitarika ny fanonganana azy tsy ho filoham-pirenena. Tamin' ny Febroary 2014 no nirongatra ny korontana sivily, izay nahitana mpanao fihetsiketsehana efa ho 100 matin' ny pôlisy. Nanao sonia fifanarahana tamin' ny mpanohitra i Yanukovych avy eo, saingy nandositra mangingina ny renivohitra tamin' io andro io ihany. Ny ampitson' io, tamin' ny 22 Febroary, ny parlemanta ao Okraina dia nifidy ny hanesorana azy amin' ny toerany sy hanomana fifidianana mialoha ny fotoana noho ny fialany amin' ny andraikiny araka ny lalàmpanorenana, fa tsy tamin' ny fanarahana ny dingan' ny fanenjehana voalaza ao amin' ny lalàmpanorenana okrainiana. Nifidy ny hanesorana azy ny sasany tao amin' ny antokony.

Tamin' ny 24 Febroary 2014 dia namoaka didy fampisamborana an' i Yanukovych ny governemanta vaovao, niampanga azy ho tompon' andraikitra tamin' ny famonoana mpanao fihetsiketsehana[1]. Nisesitany any Rosia i Yanukovych, ary nilaza fa mbola filoha ara-dalàna izy.

Tamin' ny 24 Ôktôbra 2014 dia nanambara ny filoha rosiana Vladimir Putin fa nahazo fanohanana avy amin' ny governemanta rosiana i Yanukovych tamin' ny fampandosirana azy avy ao Okraina ho any Rosia.[2]

Tamin' ny 18 Jona 2015 dia nesorin' ny parlemanta tamin' ny fomba ôfisialy ny anaram-boninahitra maha filoham-pirenena an' i Yanukovych. Tamin' ny 24 Janoary 2019 dia voaheloka higadra telo ambin' ny folo taona an-tranomaizina izy noho ny famadihana avo lenta. Tamin' ny fandatsaham-bato isan-karazany natao hatramin' ny nialany tamin' ny toerany, i Yanukovych no filoham-pirenena halam-bahoaka indrindra teo amin' ny tantaran' ny fahaleovantenan' i Okraina. Ny anaran' i Yanukovych koa no nahazoana ny teny iombonana hanondroana ny fahadisoana ataon' ny mpanao pôlitika okrainiana: янукізми / yanukizmy.

Ny fiainany manokana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vadiny dia Ljudmila Olexandriwna Janukowytsch.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.